Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Laharana 1586 amin’ny Katesizy
Ho an’ny Eveka, ny fahasoavana ahazoana hery aloha (“Ny Fanahy izay mahatonga ho filoha” : vavaka fanamasinana ny Eveka amin’ny fombam-pivavahana latinina[83]) dia ny fahasoavana hitantanana sy hiarovana amin-kery sy amim-pahamalinana ny Fiangonany, toy ny ray sy mpiandry ondry, ombam-pitiavana maimaim-poana ny rehetra sy tombom-pitiavana ny mahantra, ny marary ary ny sahirana[84]. Izany fahasoavana izany no manosika azy hitory ny Evanjely amin’ny rehetra, ho môdelin’ny andian’ ondriny, hialoha lalana azy eny an-dalan’ny fanamasinana amin’ny fampitoviana azy ao amin’ny Eokaristia amin’i Kristy Mpisorona sy Sorona, tsy matahotra ny hahafoy ny ainy ho an’ny ondriny :
Ekeo, ry Ray izay mahalala ny fo, ity mpanomponao izay nofidinao ho amin’ny laharan’ny maha-eveka, enga anie izy mba hamahana ny andian’ondrinao masina, sy mba hampiasa amin’ny fanajana Anao ny maha-mpisorona ambony indrindra tsy misy tsiny na kilema, amin’ny fanompoana Anao andro aman’alina ; enga anie izy haneho tsy an-kijanona ny endrikao mitahy ary hanolotra ny fanomezan’ny Fiangonanao masina ; enga anie izy, noho ny fanahin’ny maha-mpisorona ambony indrindra, hanana ny fahefana hamela ny fahotana araka ny didinao, hizara ny andraikitra araka ny baikonao, ary hamaha ny fatotra rehetra noho ny fahefana nomenao ny apôstôly ; enga anie izy hamalifaly Anao amin’ny alalan’ny fahalemem-panahiny sy ny hadiovam-pony, amin’ny fanolorana Aminao ny fanatitra manim-pofona, amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanakao [85]…