Ny marika tsy maty vonoina

Laharana 1581 amin’ny Katesizy

Ity sakramenta ity dia mampitovy endrika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hampiasaina ho fitaovan’i Kristy ho an’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fanamasinana ho amin’ny filaharana masina  no ahazoana ny fahefana ara-dalàna  hiasa ho toy ny solontenan’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, amin’ny anjara  raharahany  intelo miantoana dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka.

Loharano ôfisialy ↗