IV. Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Laharana 1573 amin’ny Katesizy
Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Filaharana, ho an’ireo ambaratonga telo, dia ny fametrahan-tanan’ny Eveka eo amin’ny lohan’ilay hamasinina, omban’ny vavaka fanamasinana manokana izay angatahina amin’Andriamanitra ny fandrotsahana ny Fanahy Masina sy ny fanomezany sahaza amin’ny andraiki-panompoana izay ho amin’izany no anamasinana an’ilay hamasinina[61].