Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina

Laharana 156 amin’ny Katesizy

Ny antony inoana dia tsy hoe noho ny marina nambara, izay hita fa marina sy mora azo an-tsaina eo ambany fahazavan’ny saintsika voa-Janahary. Fa mino isika “noho ny hery mampino avy amin’Andriamanitra ihany izay manambara, sady tsy mety ho diso no tsy mamitaka antsika”[160]. “Kanefa, mba hifanaraka amin’ny saina ny marina ambara amin’ny finoantsika, dia sitrak’ Andriamanitra ho arahin’ny porofo ety ivelany amin’ny Fanambaràny, ny vonjy ao anaty avy amin’ny Fanahy Masina”[161]. Araka izany, ny zava-mahagaga nataon’i Kristy sy ny olomasina[162], ny faminaniana, ny fielezan’ny Fiangonana sy ny fahamasinany, ny fahavokarany sy ny tsy fiovaovàny, “dia famantarana azo antoky ny Fanambaràna, mifanaraka amin’ny fahatakarana rehetra ananan’ny saina”[163], “antony ahafahana mino” izay mampiseho fa ny fankatoavana ny finoana dia “tsy fihetsehana an-jamban’ny saina velively”[164].

Loharano ôfisialy ↗