Ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka – hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana

Laharana 1559 amin’ny Katesizy

“Noho ny fanamasinana ara-tsakramenta sy amin’ny fiombonana araka ny ambaratongam-pitondrana amin’ny filohan’ny fiombonam-piadidiana sy ireo mpikambana aminy, no hahatongavan’ny olona iray ho anisan’ny vondron’ny maha-eveka”[39]. Ny toetra manokana sy ny toetra maha-fiombonam-piadidiana ny laharan’ny maha-eveka dia niseho tamin’ny fomba manokana tamin’ny fanaon’ny Fiangonana fahiny, izay mitaky fa mba hanamasinana Eveka vaovao iray, Eveka maromaro no mandray anjara amin’ny fanamasinana[40]. Amin’ny fanamasinana ara-dalàna ho amin’ny laharana maha-eveka iray, dia ilaina ankehitriny ny firotsahana manokana ataon’ny Evekan’i Rôma, noho izy mpampifandray fara tampony hita maso ny fiombonan’ny Fiangonana eo an-toerana sy ny Fiangonana iray, sy mpiantoka ny fahalalahan’izy ireo.

Loharano ôfisialy ↗