… “Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo”
Laharana 1552 amin’ny Katesizy
Tsy ny mampiseho an’i Kristy – Lohan’ny Fiangonana – manoloana ny mpino miangona ihany tsy akory no lahasa amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra, fa miasa amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo koa izy rahefa manolotra ny vavaky ny Fiangonana amin’ Andriamanitra[30] ary indrindra rahefa manolotra ny soron’ny Eokaristia[31].