“…aoka izy hampiantso ny Pretran’ny Fiangonana”

Laharana 1516 amin’ny Katesizy

Ny mpisorona ihany (Eveka sy Pretra) no mpandraharaha masina ny fanosorana ny marary[125]. Adidin’ny mpiandry ondry ny mampahalala ny mpino ny voka-tsoa azo amin’ity sakramenta ity. Aoka ny mpino handrisika ny marary hampiantso Pretra, mba handray ity sakramenta ity. Aoka ny marary hanoman-tena mba handray izany ao anatin’ny toe-panahy tsara, miaraka amin’ny fanampian’ny mpitondra azy ireo sy ny ankohonam-piangonana manontolo izay nasaina hanotrona manokana ny marary amin’ny fivavahany sy amin’ny fikarakarany ny maha-mpiray tam-po ara-pinoana.

Loharano ôfisialy ↗