Ny marary eo anoloan’Andriamanitra
Laharana 1502 amin’ny Katesizy
Niaina ny aretina teo anatrehan’Andriamanitra ny olon’ny Testamenta Taloha. Eo anoloan’Andriamanitra no atosany ny fitarainany noho ny aretina[97], ary Aminy, ilay Tompon’ny fiainana sy ny fahafatesana no italahoany ny fahasitranana[98]. Tonga lalam-pibebahana ny aretina[99] ary ny famelan’Andriamanitra no misantatra ny fahasitranana[100]. Nahatsapa tamim-pahazarana i Israely fa ny aretina, amin’ny fomba mistery, dia mifandray amin’ny fahotana sy ny ratsy, ary ny tsy fivadihana amin’ Andriamanitra, araka ny lalànany, no mamerina ny fiainana : “Satria Izaho Tompo, no mpitsabonao” (Eks 15,26). Tsinjon’ny mpaminany fa ny fijaliana dia mety koa hanana hevi-panavotana amin’ny fahotany hafa[101]. Farany, lazain’i Izaia fa Andriamanitra hanome fotoana ho an’i Siôna, izay hamelany ny fahadisoana rehetra sy hanasitranany ny aretina rehetra[102].