Ny fanosorana ny marary

Laharana 1499 amin’ny Katesizy

“Amin’ny fanosorana diloilo masina ny marary sy ny vavaky ny Pretra no anankinan’ny Fiangonana manontolo amin’ny Tompo nijaly sy nomem-boninahitra ireo marary, mba hanamaivana ny aretin’izy ireo sy hamonjy azy ireo ny Tompo ; vao mainka tsara koa aza ny amporisihin’ny Fiangonana azy ireo, hanakambana amin-kalalahana ny fijalian’izy ireo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy  ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanasoavana ny Vahoakan’Andriamanitra”[96].

Loharano ôfisialy ↗