Maria – “Sambatra ilay nino”
Laharana 149 amin’ny Katesizy
Nandritra ny androm-piainany manontolo, ka hatramin’ny fisedrana azy farany[151], fony maty teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa Zanany, tsy nivembena ny finoany. Tsy nitsahatra nino ny “fahatanterahan’ny” Tenin’Andriamanitra taminy i Maria. Koa izany indrindra no anajan’ny Fiangonana ao amin’i Maria ny fanatanterahana mangarangarana indrindra ny finoana.