Mahazo ny endolzansin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana
Laharana 1478 amin’ny Katesizy
Ny endolzansy dia azo amin’ny alalan’ny Fiangonana, izay noho ny fahefana mamehy sy mamaha nomen’i Kristy Jesoa azy, dia izy no manelanelana ho amin’ny tombon-tsoan’ny kristianina iray sy manokatra ho azy ny rakitry ny soa nataon’i Kristy sy ny olomasina, mba hahazoana avy amin’ny Rain’ny famindram-po ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotany. Amin’izany, ny Fiangonana, tsy hoe te hanampy fotsiny an’io kristianina io, fa handrisika azy koa amin’ny tsanganasa fitiavam-bavaka, fivalozana ary fitiava-namana[88].