Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana
Laharana 1441 amin’ny Katesizy
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra[34]. Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana” (Mk 2,10) ary mampiasa izany fahefan’Andriamanitra izany Izy : “Voavela ny helokao !” (Mk 2,5)[35]. Fa indrindra : noho ny fahefana maha-Andriamanitra Azy, dia omeny ny olona io fahefana io[36] mba hampiasan’izy ireo izany amin’ny anarany.