V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina
Laharana 1438 amin’ny Katesizy
Ny fotoana sy ny andron’ny fivalozana mandritra ny taona litorzika (ny fotoanan’ny karemy, isaky ny zomà ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo) no fotoan-dehibe anaovan’ny Fiangonana ny fivalozana[31]. Ireny fotoana ireny no sahaza indrindra ho an’ny fampiasam-panahy, ny litorzia momba ny fivalozana, ny fivahiniana masina ho mariky ny fivalozana, ny fihafiana an-tsitrapo toy ny fifadian-kanina mbamin’ny asa fiantrana, ny fifampizaràna maha-mpiray tam-po ara-pinoana (asa fitiava-namana sy asa misiônera).