IV. Ny fivalozana anaty

Laharana 1431 amin’ny Katesizy

Ny fivalozana anaty dia fampitodihana indray hatrany ifotony ny fiainana manontolo, fiverenana, fiovàna mankany amin’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo, fampitsaharana ny fahotana, fankahalana ny ratsy, miaraka amin’ny rikorikon’ny asa ratsy izay nataontsika. Miaraka amin’ny fivalozana anaty koa, ny faniriana sy fanapahan-kevitra hanova fiainana, omban’ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitokiana amin’ny fanampian’ny fahasoavany. Io fiovàn’ny fo io dia arahin’ny hirifiry sy alahelom-pamonjena izay antsoin’ireo Aba hoe : animi cruciatus (hirifirim-panahy), compunctio cordis (nenim-po)[19].

Loharano ôfisialy ↗