III. Ny fibebahan’ny vita batemy

Laharana 1428 amin’ny Katesizy

Ny antson’i Kristy ho amin’ny fibebahana àry dia mitohy manako eo amin’ny fiainan’ny kristianina. Izany fibebahana fanindroany izany dia lahasa mitohy ho an’ny Fiangonana manontolo izay “misy mpanota ao anatiny” sy izay “sady masina no voantso hidio, ary manohy tsy an-kijanona ny ezaka ataony amin’ny fivalozana sy ny fanavaozana”[11]. Tsy tsanganasan’olombelona fotsiny izany ezaka ho amin’ny fibebahana izany. Fihetsiky ny fo manenina marina[12] voasintona sy voahetsiky ny fahasoavana[13] hamaly ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra izay tia antsika mialoha izany[14].

Loharano ôfisialy ↗