II. Nahoana no misy sakramentan’ny Fampihavanana aorian’ny Batemy ?

Laharana 1426 amin’ny Katesizy

Ny fiverenana amin’i Kristy, ny fahateraham-baovaon’ny Batemy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Vatana aman-dRan’i Kristy raisina ho sakafo, no mahatonga antsika “ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 1,4), tahaka ny Tenan’ny Fiangonana mihitsy, vadin’i Kristy, izay “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 5,27). Kanefa, ny aim-baovao noraisina tamin’ny firosoana ho kristianina dia tsy manafoana ny fahosana sy ny fahalemen’ny toetra maha-olombelona, na ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny lovam-panahy hoe fanirian-dratsy (concupiscence), izay tsy miala ao amin’ny vita batemy mba hisedran’izy ireo amin’ny adim-piainana kristianina ampian’ny fahasoavan’i Kristy[8]. Io ady io dia ny an’ny fibebahana mba ho amin’ny fahamasinana sy ny fiainana mandrakizay izay ho amin’izany no tsy itsaharan’ny Tompo miantso antsika[9].

Loharano ôfisialy ↗