I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

Laharana 1423 amin’ny Katesizy

Antsoina hoe sakramentan’ny fibebahana izy, satria manatanteraka ara-tsakramenta ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana[4] sy ny finiavana hiverina amin’ny Ray[5]izay nohalavirina tamin’ny fahotana.

Antsoina hoe sakramentan’ny Fivalozana izy, satria manamasina ny finiavan’ny kristianina mpanota, an’ny tsirairay sy miaraka amin’ny Fiangonana, hibebaka, hanenina ary hanonitra ny fahotany.

Loharano ôfisialy ↗