VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”
Laharana 1404 amin’ny Katesizy
Mahafantatra ny Fiangonana, hatramin’izao, fa tonga amin’ny Eokaristiany ny Tompo, ary ao Izy sy eo anivontsika. Kanefa, takona io fisiana maha-eo io. Izany no ankalazantsika ny Eokaristia eo “am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina sy ny fiavian’i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika”[103], sy eo am-pangatahana “mba ho heniky ny voninahitrao, any amin’ny Fanjakanao, miaraka avokoa sy ho mandrakizay, rahefa hofaohanao avokoa ny ranomaso rehetra amin’ny tavanay ; eo am-pahitana Anao, Ianao Andriamanitray, araka ny maha-Ianao Anao, dia hitovy endrika Aminao mandrakizay izahay, ary tsy hitsahatra izahay hihira ny fiderana Anao, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay”[104].