VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”

Laharana 1402 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny vavaka tranainy iray, manambara an-kafaliana ny misterin’ny Eokaristia ny Fiangonana hoe : “Ry fanasam-be masina ô, ianao no misy an’i Kristy sakafonay, ianao no mamelombelona ny fahatsiarovana ny fijaliany, ianao no mameno ny fahasoavana ny fanahinay, ianao no manome anay  ny  antoky ny fiainan-ko avy”[99]. Raha tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo ny Eokaristia, raha noho ny fiombonantsika eo amin’ny ôtely no mahahenika antsika ny “tsodrano rehetra any an-danitra sy ny fahasoavana”[100], dia fisantarana koa ny voninahitry  ny lanitra ny Eokaristia.

Loharano ôfisialy ↗