Ny famantarana ny mofo sy ny divay
Laharana 1334 amin’ny Katesizy
Tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, anisan’ireo santa-bokatry ny tany natolotra ho sorona ny mofo sy ny divay, ho mari-pankasitrahana ny Mpahary. Kanefa nahazo dikany vaovao koa izy ireny ao amin’ny hevitra manodidina ny Eksaody : Ny mofo tsy misy lalivay, izay hanin’i Israely isan-taona amin’ny Paka no ankalazana ny fahatsiarovana ny hamaikan’ ny fiaingam-panafahana tao Ejipta ; ny fahatsiarovana ny mana tany an’efitra no hampahatsiahy lalandava an’i Israely fa mivelona amin’ny mofon’ny Tenin’Andriamanitra izy[22]. Farany, ny mofo hanina isan’andro dia vokatry ny Tany nampanantenaina, antoky ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fampanantenany. Ny “kalisim-pisaorana” (1 Kôr 10,16), amin’ny faran’ny sakafo Pakan’ny Jody, dia manampy fivelaran-kevitra momba ny any am-parany any amin’ny hafalian’ny fety avy amin’ny divay, dia ny an’ny fiandrasana ny Mesia ho amin’ny fanarenana indray an’i Jerosalema. Nanorina ny Eokaristiany i Jesoa tamin’ny nanomezana azy hevitra vaovao sy raikitra, tamin’ny fitsofan-drano ny mofo sy ny kalisy.