IV. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Laharana 1306 amin’ny Katesizy
Ny vita batemy rehetra tsy mbola nankaherezina no mahazo ary tokony handray ny sakramentan’ny Fankaherezana[136]. Satria ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia dia mirafitra ho tokana ihany, koa “manana adidy ny mpino handray io sakramenta io amin’ny fotoana mahamety izany”[137], satria raha tsy misy ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, dia marina fa manan-kery sy mandaitra ny sakramentan’ny Batemy, kanefa mijanona ho tsy tomombana ny firosoana ho kristianina.