Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana

Laharana 1298 amin’ny Katesizy

Rahefa ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, toy ny fanao amin’ny fombam-pivavahana rômanina, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy sy ny fiekem-pinoan’ireo mpiomana handray ny Fankaherezana no anombohana ny litorzian’ny sakramenta. Hita mazava amin’izany fa milahatra manaraka ny Batemy ny Fankaherezana[124]. Raha olon-dehibe no atao batemy, dia mandray eo no eo avy hatrany ny Fankaherezana izy, ary mandray anjara amin’ny Eokaristia[125].

Loharano ôfisialy ↗