II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana

Laharana 1295 amin’ny Katesizy

Amin’io fanosorana io no andraisan’ilay ankaherezina “ny marika”, ny fitomboky ny Fanahy Masina. Ny fitomboka dia fanehoana an’ohatra ny olona[114], famantarana ny fahefany[115], ny maha-tompon’ny zavatra iray azy[116] - tahaka izany no nanamarihana an’ireo miaramila tamin’ny fitomboky ny lehiben’izy ireo ary koa ireo andevo tamin’ny an’ny tompon’izy ireo - ; ny fitomboka no manamarina ny taratasy iray momba ny fitsaràna[117] na taratasy fanamarinana iray[118] ary mety mahatonga izany ho tsiambaratelo[119].

Loharano ôfisialy ↗