Ny fatotra ara-tsakramenta mahairay ny kristianina

Laharana 1271 amin’ny Katesizy

Ny Batemy no iorenan’ny fototry ny fiombonana eo amin’ny kristianina rehetra, ary koa amin’ireo izay tsy mbola miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika : “Satria, ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalàna ny Batemy dia misy fiombonana ihany, na dia tsy lavorary aza, amin’ny Fiangonana katôlika. (…) Noho izy ireo nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia ara-drariny no itondran’izy ireo ny anarana hoe kristianina, ary ny zanaky ny Fiangonana katôlika dia tena manaiky marina azy ireo ho havana ao amin’ny Tompo”[81]. “Noho izany, ny Batemy no fatotra ara-tsakramenta mahairay, misy ao amin’ireo izay nateraka indray taminy”[82].

Loharano ôfisialy ↗