Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy

Laharana 1269 amin’ny Katesizy

Ny vita batemy, noho izy manjary rantsambatan’ny Fiangonana, dia tsy azy intsony ny tenany[72], fa an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho antsika[73]. Koa noho izany, voantso izy hankato ny hafa[74], hanompo azy ireo[75] ao anatin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana, sy ho olona “fatra-panaiky sy mora anarin’ ” ireo filoha mpitondran’ny Fiangonana[76] ary mandray azy ireo amim-panajana sy amim-pitiavana[77]. Tahaka ny maha-loharanon’ andraikitra sy adidy ny Batemy, dia tahaka izany koa no ananan’ny vita batemy zo eo anivon’ny Fiangonana : mandray ireo sakramenta, velomina amin’ny tenin’Andriamanitra ary tohanana amin’ ny fanampiana hafa ara-panahy avy amin’ny Fiangonana[78].

Loharano ôfisialy ↗