Ho famelana ny fahotana …

Laharana 1263 amin’ny Katesizy

Amin’ny alalan’ny Batemy, voavela avokoa ny fahotana rehetra, ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’ olona ary koa ny sazy rehetra vokatry ny fahotana[65]. Satria, eo amin’ireo izay nateraka indray, tsy misy mihitsy antony izay misakana azy ireo tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny fahotan’i Adama, na ny fahotan’ny olona tsirairay, na ny vokatry ny fahotana, izay ny fisarahana amin’Andriamanitra no mamohehatra indrindra.

Loharano ôfisialy ↗