Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana

Laharana 1237 amin’ny Katesizy

Satria ny Batemy midika fanafahana amin’ny fahotana sy ny mpandrisika amin’izany, ny devoly, dia anaovana tonom-bavaka iray (na maro) fandroahana demony  ilay mpangataka batemy. Hosorana ny menaky ny katekomena izy na koa mametra-tanana aminy ny mpitarika ny fanompoam-pivavahana, ary izy kosa mandà an-kitsirano an’i Satana. Vita izany, dia azony atao ny manambara ny finoan’ny Fiangonana, izay amin’izany no “hanankinana” azy amin’ny Batemy[40].

Loharano ôfisialy ↗