Ny firosoana ho kristianina

Laharana 1233 amin’ny Katesizy

Ankehitriny àry, amin’ny fombam-pivavahana rehetra latinina sy tatsinanana, ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina dia manomboka raha vantany vao miditra amin’ny katekomenà izy ireo, mba hahatratra ny fara tampony amin’ny fankalazana iray ihany ny sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia[38]. Amin’ny fombam-pivavahana tatsinanana, ny firosoan’ny ankizy ho kristianina dia manomboka amin’ny Batemy arahin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia eo no ho eo avy hatrany, fa amin’ny fombam-pivavahana rômanina kosa, dia mitohy izany mandritra ny taona maro ianarana ny katesezy, mba ho vita aty aoriana amin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, fara tampony amin’ny firosoan’izy ireo ho kristianina[39].

Loharano ôfisialy ↗