Ny sakramentan’ny Batemy

Laharana 1213 amin’ny Katesizy

Ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy (vitae spiritualis ianua), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no  nafahana tamin’ny fahotana sy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra, manjary rantsambatan’i Kristy sy voakambana ho vatana iray amin’ny Fiangonana ary natao ho mpandray anjara amin’ny fanirahana azy[12] : “Ny Batemy no sakramentan’ny  fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny rano sy amin’ny teny”[13].

Loharano ôfisialy ↗