IV.Aiza no mankalaza ?
Laharana 1184 amin’ny Katesizy
Ny seza fiketrahan’ny Eveka (cathèdre) na ny fitoeran’ny Pretra dia “tokony hampiseho ny anjara raharahan’ilay izay miandraikitra ny fiangonana sy mitarika ny fivavahana”[69].
Ny polipitra : “Ny fahambonian’ny Tenin’Andriamanitra dia ilana toerana manokana ao am-piangonana izay manampy amin’ny fitoriana izany Teny izany, ka eny no itodihan’ny mason’ny mpino sy ifantohan’ny saina aman’eritreriny, mandritra ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra”[70].