IV.Aiza no mankalaza ?

Laharana 1182 amin’ny Katesizy

Ny ôtelin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao dia ny Hazofijalian’ny Tompo[65] izay avy eo no ipoiran’ny sakramentan’ny misterin’ny Paka. Eo ambonin’ny ôtely izay ivon’ny trano fiangonana, no mahatonga ny fisiana eo ny soron’ny Hazofijaliana amin’ny alalan’ny famantarana ara-tsakramenta. Ny ôtely koa no Latabatry ny Tompo, izay eo amin’izany no anasana ny Vahoakan’ Andriamanitra hihinana[66]. Ao amin’ny litorzia sasantsasany Tatsinanana, ny ôtely koa no fanehoana an’ohatra ny Fasana (maty tokoa sy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy).

Loharano ôfisialy ↗