Ny taona litorzika

Laharana 1168 amin’ny Katesizy

Manomboka amin’ny Hateloan’andron’ny Paka, araka ny maha-loharanom-pahazavany azy, ny andro vaovao ny Fitsanganan-ko velona no mameno ny taona litorzika manontolo amin’ny famirapiratany. Tsikelikely, avy amin’ny andaniny sy ny ankilan’io loharano io, no nanovàn’ny litorzia endrika ny taona. Tena “taom-pahasoavan’ny Tompo”[48] tokoa izany. Miasa ao anatin’ny fe-potoana ny fitantanam-pamonjena, kanefa hatramin’ny fahatanterahany tamin’ny Pakan’i Jesoa sy ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fahataperan’ny tantara dia niroso mialohan’ny fotoana, “nosantarina mialoha”, ary miditra ao amin’ny fotoanantsika ny Fanjakan’ Andriamanitra.

Loharano ôfisialy ↗