Ny sary masina
Laharana 1162 amin’ny Katesizy
“ Manaitaitra ny fivavahako ny hakanto sy ny lokon’ny sary. Fety ho an’ny masoko izany, tahaka ny zavatra hita eny an-tsaha mandrisika ny foko hanome voninahitra an’Andriamanitra”[37]. Ny fibanjinana ny sarimasina, ampiraisina amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fihirana ny antsa litorzika, dia tonga mampirindra ny famantarana amin’ny fankalazana, mba horaiki-tadidy ao am-po ny mistery ankalazaina, ary aorian’izay hanazava ny heviny eo amin’ny fiainam-baovaon’ny mpino.