Famantarana sy fanehoana an’ohatra

Laharana 1151 amin’ny Katesizy

Famantarana nampiasain’i Kristy. Matetika, nampiasa famantarana maro avy amin’ny zavaboary i Jesoa Tompo, tamin’ny toriteniny, mba hampahafantarana ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra[21]. Tamin’ny famantarana hita maso sy tsapan’ny tanana, na tamin’ny fihetsika an’ ohatra no nanatanterahany ny fanasitranany na nanamafisany ny toriteniny[22]. Nomeny hevitra vaovao ireo zava-niseho sy ireo famantarana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, indrindra ny tamin’ny Eksaody sy ny tamin’ny Paka[23], satria Izy Tenany mihitsy no ambaran’ireny famantarana rehetra ireny.

Loharano ôfisialy ↗