Famantarana sy fanehoana an’ohatra

Laharana 1149 amin’ny Katesizy

Ny antokom-pivavahana lehibe  arahin’ny olona dia manaporofo amin’ny fombam-pivavahany, matetika amin’ny fomba mampitolagaga, io hevitra araka ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ara-panehoana an’ohatra io. Ny litorzian’ny Fiangonana dia mandray rahateo sy mampiditra ary manamasina ireo singafototry ny zavaboary sy ny kolontsain’ny olombelona amin’ny fanomezana azy ireo ny hasin’ny famantaram-pahasoavana sy ny fahariana vaovao, ao amin’i Jesoa-Kristy.

Loharano ôfisialy ↗