Famantarana sy fanehoana an’ohatra

Laharana 1147 amin’ny Katesizy

Miteny amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny zavaboary hita maso Andriamanitra. Ny tontolon’ny zavaboary voarindra hita maso, tsapan’ny tanana, no miseho ao an-tsain’ny olombelona mba hahafahany mamaky ao ireo mariky ny Mpahary azy[20]. Ny hazavana sy ny alina, ny rivotra sy ny afo, ny rano sy ny tany, ny hazo sy ny voankazo dia miteny an’ Andriamanitra, sy maneho an’ohatra ny maha-ambony Azy sady maha-akaiky Azy.

Loharano ôfisialy ↗