Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy
Laharana 1102 amin’ny Katesizy
“Ny Tenim-pamonjena no mamelona ny finoana ao am-pon’ny kristianina : izy no miteraka sy mampitombo ny fiombonan’ny kristianina”[15]. Tsy mijanona amin’ny fampianarana ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra : mila valy amin’ny finoana izany, ho fankatoavana sy firotsahana, eo anatrehan’ny fanekem-pihavanana ifanaovan’Andriamanitra sy ny vahoakany. Mbola ny Fanahy Masina no manome ny fahasoavan’ny finoana, manamafy izany sy mampitombo izany ao amin’ny ankohonam-piangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia izany dia fiombonana amin’ny finoana.