Ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta

Laharana 1076 amin’ny Katesizy

Ny andron’ny Pantekôty, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, no naseho tamin’izao tontolo izao ny Fiangonana[16]. Ny fanomezana ny Fanahy no nisantatra ny vanim-potoana vaovao tamin’ny “fizarazarana ny mistery”: ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, izay mandritra izany i Kristy no maneho, tonga eo ary mampita ny tsanganasam-pamonjeny amin’ny alalan’ ny litorzian’ny Fiangonany, “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26). Mandritra izany vanim-potoanan’ny Fiangonana izany, dia miaina sy miasa ao amin’ ny Fiangonany i Kristy hatramin’izao ary miaraka aminy amin’ny fomba vaovao, sahaza izany vanim-potoana vaovao izany. Miasa amin’ny alalan’ ny sakramenta Izy; izany no iantsoan’ny Lovam-pampianarana iombonan’ ny Tatsinanana sy ny Tandrefana hoe : “fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta”; ny maha-izy azy ity dia ny fampitana (na “fizarazarana”) ny vokatry ny misterin’ny Pakan’i Kristy amin’ny fankalazana ny litorzia “ara-tsakramentan’ ” ny Fiangonana.

Noho izany, zava-dehibe ny manazava mialoha io “fizarazarana ny sakramenta” io (toko voalohany). Amin’izany no hahitana mazava tsara kokoa ny toetra sy ny tena endriky ny fankalazana litorzika (toko faharoa).

Loharano ôfisialy ↗