Inona no dikan’ny teny hoe litorzia ?

Laharana 1069 amin’ny Katesizy

“Tsanganasam-bahoaka”, “asa fanompoan’ny vahoaka / ho tombon-tsoam-bahoaka” no dikan’ny teny hoe “litorzia” tany am-piandohana.  Amin’ny lovam-pampianarana kristianina kosa, dia ny fandraisan’ny Vahoakan’ Andriamanitra anjara amin’ny “tsanganasan’Andriamanitra”[4], no tiana hampahafantarina amin’io teny io. Amin’ny alalan’ny litorzia, i Kristy Mpamonjintsika sy Mpisorombe no manohy ao amin’ny Fiangonany, miaraka aminy sy amin’ny alalany, ny tsanganasam-panavotana antsika :

Loharano ôfisialy ↗