“ AMEN ”
Laharana 1063 amin’ny Katesizy
Ao amin’i Izaia mpaminany dia ahitana ny fomba fiteny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana”, ara-bakiteny dia hoe “Andriamanitry ny Amen”, izany hoe Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fampanantenany : “Na iza na iza te hotahìna eto an-tany, dia te hotahìn’ny Andriamanitry ny Amen” (Iz 65,16). Mampiasa matetika ny teny hoe “Amen”[110] ny Tompontsika, indraindray amin’ny endrika averina indroa[111], mba hanamafisana ny maha-azo antoka ny fampianarany, ny Fahefany miorina amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra.