VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Laharana 1043 amin’ny Katesizy

Izany fanavaozana amin’ny fomba mistery izany, izay hanova ny olombelona sy izao tontolo izao, no antsoin’ny Soratra Masina hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” (2 Pi 3,13)[95]. Izany no ho fanatontosana raikitra ny fandaharan’Andriamanitra “hamerenana ny zavatra rehetra ho eo ambany Filoha tokana, i Kristy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany” (Efez 1,10).

Loharano ôfisialy ↗