Ny fahafatesana

Laharana 1009 amin’ny Katesizy

Novàn’i Kristy ny fahafatesana. I Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaritra koa ny fahafatesana, izay tandra vadin-koditry ny toe-piainan’olombelona. Kanefa, na teo aza ny horohoro aman-tahotra nanjo Azy nanoloana izany[44], dia nozakainy tao anatin’ny asa fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’ny Rainy izany. Ny faneken’i Jesoa no nanova ny ozon’ny fahafatesana ho tsodrano[45].

Loharano ôfisialy ↗