Ny fahafatesana
Laharana 1006 amin’ny Katesizy
“Eo anoloan’ny fahafatesana no tonga amin’ny fara tampony ny zavatra saro-pantarina momba ny toe-piainan’olombelona”[37]. Amin’ny lafiny iray, dia ara-pomban’ny zavaboary ny fahafatesan’ny vatana, nefa ho an’ny finoana dia “tambin’ny ota” izany (Rôm 6,23)[38], raha ny tena marina. Fa ho an’ireo izay maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesan’ny Tompo izany, mba hahafahana mandray anjara koa amin’ny Fitsanganany ho velona[39].